Version officielle, Black Nadia

08-10-24 09:25:49
Version officielle, Black Nadia

Version officielle, Black Nadia, ny resany farany teo, tao antranony tao Itaosy, tamin'ny 18h.00, "Izaho Black Nadia dia tsy niteny tamin'ny TV Plus mihintsy hoe, ny hirako dia tsy azon'i Espérance hiraina intsony. Mba mangataka anareo mpanao gazety aho mba hanamarina tsara ny vaovao vohizinareo", hoy izy. "Ny hirako hoy izy azon'ny rehetra hiraina, raha toa ka manaraka ny lalàna mifehy ny fampiasana sangan'asa izay mifehy ny tany sy ny firenena, ilay olona hihira azy, izany hoe mandoa ny droits d'auteurs any amin'ny Omda. Fa ny anarako tsy tokony hampiasan'iza n'iza amiin'ny hetsika hitadiavana vola, na amin'ny inona na amin'ny inona, raha toa ka tsy mahazo alalana avy aty amiko". Izany hoe ny fametrahana ny anarany ao anaty "affiche", na inona inona antony, dia tsy ekeny raha toa tsy nisy fifampiresahana mialoha aminy. Farany, "Nazava tsara ny teniko tamin'i Espérance rehefa nisakafo tato an-trano izy, talohan'ny finale Kopi Kole, manao hoe nareo aky tandremo sao dia mandray, na mi signé contrat amin'ny anarako any. Tsisy fahatezerana izany ary raha ny fantatro dia nanaraka antsakany sy andavany io fangatahiko taminy io i Espérance saingy misy kosa no manao dika vilana amin'ny zavatra nolazaiko".